|
Alahadin’ny Paska 2009
Matio 28 : 1- 15 1 Ary tamin’ny alin’ny Sabata, raha vao mazava ratsy ny andro voalohany amin’ny herinandro, dia avy hizaha ny fasana Maria Magdalena sy ilay Maria anankiray. 2 Ary, indro, nisy horohorontany mafy ; fa nisy anjelin’ny Tompo nidina avy tany an-danitra, dia nankeo ka nanakodia ny vato, dia nipetraka teo amboniny. 3 Ary ny fijery azy dia tahaka ny helatra, ary ny fitafiany fotsy tahaka ny orampanala ; 4 ary ny mpiambina nivadi-po noho ny fahatahorana azy ka tonga tahaka ny maty. 5 Ary ny anjely namaly ka nilaza tamin’ny vehivavy hoe : Aza matahotra hianareo ; fa fantatro fa Jesosy, Izay efa nohomboana tamin’ny hazofijaliana, no tadiavinareo. 6 Tsy ato Izy, fa efa nitsangana araka izay nolazainy. Avia, ka jereo, fa tao no nandrian’ny Tompo. 7 Ary mandehana faingana, ka lazao amin’ny mpianany fa efa nitsangana tamin’ny maty Izy ; ary, indro, mialoha anareo ho any Galilia Izy ; any no hahitanareo Azy ; indro, efa nilaza taminareo Aho. 8 Dia niala faingana tamin’ny fasana izy ireo sady natahotra no faly indrindra, dia nihazakazaka hilaza tamin’ny mpianatra. 9 Ary, indro, Jesosy nifanena taminy ka nanao hoe : Finaritra. Ary izy ireo nanatona, dia nihazona ny tongony ka niankohoka teo anatrehany. 10 Dia hoy Jesosy taminy : Aza matahotra ; fa mandehana, ka asaovy mankany Galilia ny rahalahiko ; fa any no hahitany Ahy. 11 Ary nony nandeha izy ireo, indreny, ny mpiambina sasany nankany an-tanàna ka nilaza tamin’ny lohan’ny mpisorona ny zavatra rehetra izay vao niseho. 12 Ary rehefa niangona izy mbamin’ny loholona, dia niara-nihevitra ka nanome vola be ny miaramila 13 ary nanao hoe : Lazao hoe : Ny mpianany no tonga alina ka nangalatra Azy, raha sendra natory izahay ; 14 ary raha misy milaza izany amin’ny governora, izahay dia hampanaiky azy ka hanao izay tsy hampaninona anareo. 15 Dia nandray ny vola izy ka nanao araka ny teny nomeny azy ; ary izany teny izany dia naelin’ny Jiosy mandraka androany. « Sambatra ny mahitsy lalana, Izay mandeha araka ny lalàn’i Jehovah. Sambatra izay mitandrina ny teni-vavolombelony Ka mitady Azy amin’ny fo rehetra. » AMEN (loharano : http://www.baiboly.org) TORITENY FEO MARSA-APRILY 2009 :
|
|
|||