Non classé
Rodorodom-piderana

Rodorodom-piderana

Fotoam-piderana lehibe no hatao ny Asabotsy 03 Aogositra tontolo andro miaraka amin’ny Tarika Rija Rasolondraibe eny amin’ny Coliseum Antsonjombe.

Araka ny lohateny nomena ity fotoana manokana ity hoe  « Rodorodom-piderana-Rodorodom-pitoriana-Vavaka hoan’ny tanindrazana », dia hisy fandaharam-potoana samihafa ao anatin’izany :

  • Hisy ny vavaka ho an’ireo faritra rehetra manerana ny Nosy
  • Hisy Tsiahy famintinana ireo Rodorodom-pitoriana natao tany amin’ny faritany sy fitondrana am-bavaka ny vokatry ny asa
  • Hisy ihany koa ny toriteny
  • Ny fiderana sy fitoriana moa dia hameno ny fotoana rehetra.

Koa samia ary mivonona sy mitaona ny hafa mba hiditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.

Tsy misy ny vidim-pidirana fa hisy ihany kosa ny fizarana tapakila izay raisina eny an-toerana mialohan’ny hidirana ao anatin’ny Coliseum.

 

Sampana Sekoly Alahady

Sampana Sekoly Alahady

 

Sampana Sekoly Alahady

Santa-bokatra sy santam-piaraha-miasa vaovao

Nakotrokotroka ny fankalazana ny santa-bokatry ny sampan Sekoy Alahady teto amin’ny FJKM Zoara Fanantenana Ambohipo ny alahady 19 may lasa teo. Nifanindry indrindra ihany koa tamin’ny fankalazana ny pentekôsta izany.. Ny tenin’ny Soratra Masina notsongaina tao amin’ny Filazantsara nosoran’I Jaona 21 : 15-16-17 manao hoe  :” Fahao ary ny ondriko,  …fahano ary ny ondrikeliko” no nanompanana ny Fankalazana. Ny santa-bokatra dia fotoana ihany koa hitaizana ny Sekoly Alahady amin’ny fanompoana amin’ny alalan’ny fanolorana ny vokatra. Samy nanao izay ho afany tamin’ny fanoloran-tenany amin’ny alalan’ny vokatra ny ankizy tato amin’ny sampana. Nisy ny nitondra zavatra, izay navadika ho vola ary teo ihany koa no nitondra vola. Tamin’ny fony tokoa no nanaovan’ireo izany fanompoana izany. Nanohana ny sampana amin’ny fitaizana ireo ondrin’I Jesoa ny Fiangonana tamin’ny vokatra nataony.

Raha ny fanompoam-pivavahana lehibe no nanombohana ny tontolo andro maraina dia nisy kosa ny fampisehoana nokarakarain’ny Sampana ny alahady tokalandro. Nisy hatrany ny hafatra nampitaina nandritra izany rehetra izany. Ny tarika Menafify no nanafana ny fotoana. Teraka tamin’io ihany koa ny fiaraha-miasa vaovao ho an’ny tarika sy ny sampana. Amin’ny maha-tompom-pety ny sampana Sekoly alahady dia nanaingo ny fampisehoana tamin’ny alalan’ny dihy izy ireo. Afa-po na ny mpijery ny na ny mpihira. Fahombiazana ny fiaraha-miasan’ny roa tonta teo ambany fiahian’I Jesoa Kristy. Naniry ny hiara-hiasa amin’ireto ondrikelin’I Jesoa ireto ny tarika Menafify amin’ny fampisehoana hataon’ny amin’ny manaraka.

Fanomanana fanadinana

Efa manomana ny fanadinana karakarain’ny foibe FJKM ny sampana Sekoly Alahady eto amin’ny FJKM Zoara Fanantenana Ambohipo. Ho fanomanana izany dia hisy ny fanadinana andrana hatao ny  09 Jiona ho avy izao. Raha tsy misy ny fiovana dia eo anelanelan’ny fanadinana BEPC sy BAC no hampanaovan’ny sampana Sekoly alahady foibe ny fanadinana.

Misy 800 eo ho eo ny Mpianatra Sekoly alahady eto amin’ny Fiangonana Zoara Fanantenana Ambohipo. Mila fanohanana izy ireo, araka ny baikon’ny Tompo hoe : “Fahano ary ny ondriko”

 


Alahadin’ny Dorkasy Hafa mihitsy ny vehivavy kristiana

Alahadin’ny Dorkasy Hafa mihitsy ny vehivavy kristiana

Niavaka ny fanamarihana ny fetin’ny reny omaly teto anivon’ny FJKM Ambohipo. Nanao hetsika manokana momba izany ny sampana Dorkasy Ambohipo. Ny maraina aloha nikarakara Buvette,nahitana sakafo samihafa. Nisongadina ny nahandro vita amin’ny saonjo, izay tsy mahazatra loatra ny olona eo amin’ny fiainana andavan’andro. Nisy ihany koa ny fivarotana ireo karazana fanomezana azo atolotra ny reny, toy ny fitaovana fampiasa ao an-tokan-trano, ny voninkazo, ny taozavatra malagasy, kojakoja fampiasan’ny vehivavy, hatramin’ny vokatry ny tany isankarazany. Ny alahady tolak’andro kosa, nanao fampisehoana natsoina hoe « Live Dorkasy » ity sampana ity. Seho an-tsehatra nohiraina mivantana fa tsy natao playback toy ny fahita matetika amin’ny fampisehoana. Hirahira sy Dihy fiderana an’Andriamanitra,  nanaovana antso ho an’ny olona hanolo-tena ho an’Andriamanitra sy hanaraka ny asan’ny Dorakasy ihany koa.

Raha fintinina fohy mantsy ny asan’ny sampana Dorkasy, indrindra ny eto amin’ny FJKM Ambohipo, araka ny nampahafantarin’ny filohany, R/toa Rasoarimalala Emilienne na i Mme Kiki, dia miainga amin’ny teny fanevany ao @ Asa:9/36: « ….ary be ny asa soa sy fihantrana izay nataon’izany vehivavy (Dorkasy) izany ». Ankoatry ny asa fitoriana amin’ny maha-sampana azy eo anivon’ny fiangonana izany, dia mifantoka betsaka amin’ny asa sosialy ny sampana Dorkasy FJKM Ambohipo. Miara-miasa @ sampana rehetra eo anivon’ny fiangonana anefa ny sampana Dorkasy @ fanatanterahany izany. Misy ny fanadihadiana ara-tsosialy atao, ka miainga @ ireny no ahafantarana ny olona mila fanampiana, sy ny zavatra tena tadiavin’ny olona. Misy ny fanampiana ho an’ny mahantra eo anivon’ny fiangonana, izany hoe ho an’ny mpino manana karatra; misy ihany koa anefa ny ho an’ny tsy mpiangona ao, toy ireo fanampiana omena @ tranga na loza tampoka, na vonjy aina maika. Santionany @ izany ohatra ny fanadihadiana ara-tsosialy ataon’ny Dorkasy, ka ny biraom-piangonana sy ny pasitera no manapaka ny fanampiana tokony atao @ izany, toy ny vonjy voina, ny marary, na ny olona mila fandidiana maika ihany koa. Misy ihany koa ny fanadihadiana manokana rehefa alohan’ny noely ahafantarana ny filàn’ireo olona sahirana, ka manao rakitra zavatra ny mpino eto @ FJKM Ambohipo rehefa alahady mialoha ny krismasy. Ary dia zarain’ireo tsara sitrapo izany ny alatsinainy ampitson’iny. Ny FJKM Ambohipo moa ankehitrny efa miditra @ AGR (Activité Génératrice de Revenu) ihany koa. Hetsika natao ho fanampiana sy ho fampandrosoana ara-tsosialy sy ara-toe-karena. Izany hoe karazana fampindramam-bola tsy misy tambiny na zanany, miainga @ fanadihadiana ataon’ny sampana Dorkasy ihany koa. Misy ihany koa ny Varin’i Jesoa, vary angonina @ mpino isaky ny alahady omena ny mahantra, na ireo tratry ny voina tampoka, ireny rehetra ireny dia mainga avy @ fanadihadiana ataon’ny sampana Dorkasy avokoa.

 

Akon’ny fankalazana faha 150 taona

Akon’ny fankalazana faha 150 taona

Sarimihetsika Magdalena

Tokony ho tamin’ny 5 ora hariva mahery no nandefasana ny sarimihetsika Magdalena teto amin’ny fiangonana ho tohin’ny fankalazana ny faha 150 taona. Tsy omby ny fiangonana raha jerena ny sary eto ambany.

 

 

Sarimihetsika Magdalena

Sarimihetsika Magdalena

Ny Sarimihetsika mitondra ny lohateny hoe Magdalena afaka tamin’ny henatra dia voadika amin’ny teny malagasy amin’izao fotoana izao. Nahazo tombony manokana isika malagasy satria dikan-teny faha 100 maneran-tany izao vita izao mba hahafahan’ny rehetra mahazo tsara ny tantaran’i Magdalena.

Ny Campus pour Christ Madagasikara no tompon’andraikitra eto an-toerana tamin’ny famokarana izany sarimihetsika izany. Ao anatin’ny fiaraha-miasan’ny fiangonana aminy dia hiarahana indray ny manapariaka sy mandefa azy io amin’ny toerana maro eto Antananarivo Renivohitra ato anatin’ny vola vitsivitsy.

Ny Asabotsy 20 aprily izao dia halefa etsy amin’ny CCESCA Antanimena izany, mitohy eny Andavamamba.

Andraikitry ny Fiangonana Zoara Fanantenana Ambohipo kosa miaraka amin’ireo fiangonana sy fokontany maro manerana an’Antananrivo ny manohy azy araka ireo fandaharam-potoana homena tsy tapaka eto.

Manomboka ny Asabotsy 20 arpily io ihany, ao anatin’ny fanombohana ny Rodorodom-pitoriana 2013 dia hanao fitoriana arahina fanentanana ny isan-tokantrano eny amin’ny fokontany Andohatapenaka ireo kristiana avy amin’ny FJKM Andohatapenaka sy FJKM Ambohipo miaraka. Ny maraina manomboka amin’ny 8 ora ka hatramin’ny 12 ora atoandro no hanaovana izany. Amin’ny 3 ora tolakandro indray kosa no handefasana ny sarimihetsika ao amin’ny FJKM Andohatapenaka.

Ny Alahady 21 aprily amin’ny 5 ora hariva kosa dia halefa eto amin’ny Fiangonana Zoara Fanantenana io sarimihetsika io.

 

 

Kitra an’olona 7

Kitra an’olona 7

Ekipa 6 avy amin’ireo faritra 7 no nifaninana

Ekipa 6 avy amin’ireo faritra 7 ao amin’ny FJKM Zoara Fanantenana Ambohipo no miatrika ilay fifaninanana baolina kitra lalaovin’olona 7 karakarain’ny sokajy Fanatanjahantena ary nampitondraina ny lohevitra hoe “Mizara Fitiavana” ny 13 sy 14 aprily eny amin’ny kianjan’Ankatso. Ireto avy ireo faritra fito ireo: Cite Ambohipo, Ambohipo Tanana, Ambohibato-CUR Ambohipo, Ampahateza-Andohaniato, Andohan’Imandroseza-Ambatoroka-Tsihadana, Ambolonkandrina-Antsahamamy, Ankatso1 ary ireo mpivavaka ivelan’ireo. Ny faritra fararoa irery no tsy nahafeno ekipa ary notsinjaraina tamin’ireo faritra hafa. Ny alakamisy 11 aprily teo ny fivoriana arateknika. Nosokafana tamin’ny filaharanan’ireo ekipa mpandray anjara ny fotoana ny sabotsy maraina. Nisy koa ny fifaninanana ho an’ny sokajy vehivavy nialoha ny famaranana ny alahady 14 aprily tolakandro nihaonan’ny ekipan’ny Dorkasy sy ny Antoko mpihira vehivavy. Marihina fa efa nisy ny fifaninanana hafa natao tamina taranja hafa toy ny tsipy kanetibe isaky ny volana aprily ary ny baskety kosa tamin’ny taondasa. Ny baolina kitra indray amin’ity taona ity izay tafiditra indrindra koa amin’ny fanombohana ny fankalazana ny faha-20 taonan’ny sokajy fanatanjahantena. Mbola hitohy ny fankalazana ka amin’ny volana novambra ny rodorodom-panantanjahantena.

 

Sokajy Fanatanjahantena:20 taona

Sokajy Fanatanjahantena:20 taona

Sokajy fanatanjahantena

Mankalaza ny faha-20 taonany amin’ny hetsika samihafa

Isan’ireo sokajy folo misy ao amin’ny FJKM “Zoara Fanantenana” Ambohipo ny rantsana fanatanjahantena izay manana ny teny filamatra manao hoe “ANDRIAMANITRA no aro sy hery ho antsika” Salamo 46:1A.

Taranja efatra hatramin’izao no efa iangaliana ao dia ny volley, baskety, baolina kitra ary ny tsipy kanetibe. Isan-taona dia misy taranja iray amin’ireo voatanisa etsy ambony ireo mikarakara hetsika. Tsy hoela dia hisy fifaninanana baolina kitra lalaovin’olona fito hotanterahina ny 13 hatramin’ny 14 aprily izay hatao eny amin’ny kianjan’Ankatso, fifaninanana izay misokatra ho an’ny fiangonana hafa ihany koa.

Marihina fa mankalaza ny faha-20 taonany izao ity sokajy iray ity izay niorina tamin’ny taona 1993. Mahatratra 146 izao ireo mpikambana ahitana sokajin-taona maro, 15 hatramin’ny 60 taona  ary manana mpanazatra isan-taranja. Ankoatra an’io dia hisy koa ny rodorodo ara-panatanjahantena hatao amin’ny tapaky ny volana novambra, ahitana kosa indray ireo fifaninanana amin’ireo taranja efatra voalaza etsy ambony. Ity farany kosa dia fifaninanana anatiny ho an’ireo vakim-paritra fito ety amin’ny manodidina. Isan’ny fandaharam-potoana hivoaka ny renivohitra kosa ny fitoriana amin’ny volana jona hatao any Ambanja, faritra avaratry ny nosy iny.

Hetsika fanaon’ity sokajy ity koa ny fitoriana isaky alahady tolakandro izay miompana amin’ny fampianarana ara-panahy ary mikendry ny famolavolana ny kristianina ho mpanao fanatanjahantena. Mikasika ny fandaharam-potoanan’ny fanazarantena dia isaky ny asabotsy (6:00 hatramin’ny 8:30) eny Ankatso.

Ireo Mpitantana:

Filoha: Rakotoniaina Vonifanja

Filoha lefitra: Rakotobe Lovasoa Faneva

Mpitahiry vola: Andriamanjatoarivo Voahirana

Mpitahiry vola mpanampy: Ramaroson Heritiana

Mpitantsoratra: Rasolofoariniony Tolojanahary

 

 

 

Dorkasy Zoara Fanantenana

Dorkasy Zoara Fanantenana

Nanamarika ny 8 martsa, andro eran-tany ho an’ny vehivavy ny Dorkasy Zoara Fanantenana FJKM Ambohipo. Hetsika niarahana tamin’ny Dorkasy Foibe tetsy amin’ny FJKM Andrainarivo, ka saika nahatonga solontena tamin’izany avokoa ny sampana Dorkasy avy amin’ny FJKM eto andrenivohitra sy ny manodidina.

Nibahan-toerana tamin’io andro io ny fanehoana ny zon’ny vehivavy. Natomboka tamin’ny fiderana an’Andriamanitra ny fotoana narahan’ny fitsidihana trano heva izay nanehoana ny vokatry ny tany, ny asa tanana samihafa, ny kojakoja fampiasan’ny vehivavy, ny fikolokoloana ny volo sy ny tarehy, ny voninkazo, ny sakafo sy ny maro hafa.

Marihina fa fahaizamanaon’ny Dorkasy avy amin’ny fitandremana samihafa avokoa ireo naseho ireo. Nisy ihany koa ny fifaninanana soratra masina.

Niara-nisalahy tamin’ny Dorkasy FJKM Ambohipo tamin’io fanamarihana ny andron’ny vehivavy io ny FJKM Ambohipo manontolo. Niantohan’ny FJKM Ambohipo mantsy ny fanamafisam-peo tamin’izany. Noraisiny an-tanana ihany koa ny fakana horonan-tsary ny hetsika rehetra sy ny fandrindrana izany mbamin’ny fanatontosana “montage”. Nandray anjara tamin’ny filatroana fampisehoana lamaody koa ny sampana STK eo anivon’ny Zoara Fanantenana Ambohipo raha nampianatra ny fanamboarana mofomamy “cake” kosa ny VFL. Ny Dorkasy FJKM Ambohipo kosa nampianatra ny fandrahoana Pizza sy fanaovana mofo akondro.

Ny masoandro maty no nampalahelo satria voatery nahemotra amin’ny 14 avrily izao ny fifaninanan-kira saika hatao tamin’io 8 martsa io.

 

 

Toby Betela Ahitantsoa

Toby Betela Ahitantsoa

Ny 3 aprily 2003 no notokanan’ny Synodamparitany Antananarivo Atsinanana ny Toby Betela Ahitantsoa ao Ambohibao Ziona. Tokony ho 40km avy eto Antananarivo, eo anelanelan’i Talata Volonondry sy Anjozorobe.

Anisan’ny  Toby FJKM natao ho fitaizana sy fitsaboana ny marary, famoahana demonia, fiaraha-mivavaka, fampianarana sy fampiofanana ary koa fanokanana ireo mpianatra mivoaka amin’ny SEFALA (Sekoly Fanomanana Laika) ity Toby ity.

Maro tokoa ny asa sahanin’ny tompon’andraikitra rehetra ao anatin’ny Toby raha araka ireo voatanisa ireo. Ny Mpitandrina RAKOTOARIVAO Liliane no mitarika amin’ny fitantanana ireo asa rehetra atao ao, sady Mpitandrina ny fiangonana FJKM Ambohibao Ziona.

Amin’izao fotoana izao dia mankalaza ny faha 10 taona ny Toby ka manao fanorenana ny trano fiaraha-mivavaka izay iarahan’ny fitandremana rehetra ato anatin’ny synodamparitany mientana mba ho tsangam-bato.

Mandroso ny ezaka fanorenana ary hita fa tena mila ny fanohanana am-bavaka avy amintsika kristiana. Misy ihany koa ny ezaka sy ny fanoloran-tena ataon’ny Sampana Fifohazana isa-pitandremana, na ara-bola izany na ara-pitaovana.

Fanahin’olona maro tokoa no vonjena ao anatin’izao asa izao ka hanaovan’ny fiangonana ho vain-dohan-draharaha ny fanorenana rehetra tokony hatao.

 

 

 

 

 

 

Toliara : FJKM AMBOROGONY

Toliara : FJKM AMBOROGONY

Ny Pasitera ANDRIANILANONA Rija

Mpitandrina ny FJKM Amborogony Fitiavana

 

Anisan’ny miatrika ny fanarenana ihany koa ny Fiangonana FJKM Amborogony Fitiavana taorian’ny rivodoza teo.

Ny tafotrano lasan’ny rivotra no isan’ny fahavoazana nahazo ny fiangonana araka ny tatitra azo avy amin’ny Mpitandrina. Isan’ny faritra tondraky ny rano ihany koa moa ny fokontany Amborogony, isaorana an’Andriamanitra lehibe anefa fa dia tsy niakatra avo loatra  ny rano ary efa maina amin’izao fotoana izao.  Tsy dia nisy entana simba ny tao anatin’ny fiangonana noho izany.

Marihina fa ity fiangonana ity dia anisan’ny niara-niasa tamin’ny FJKM Zoara Fanantenana Ambohipo tamin’ny rodorodom-pitoriana 2012 teto Toliara. Araka ny tatitra avy amin’ny Mpitandrina dia nitombo marobe tokoa ireo kristiana tonga mamonjy ny fotoam-pivavahana sy manao ny asa fanompoana ao anatin’ny Sampana taorian’ny fandalovan’ny mpitory nanao ny rodorodom-pitoriana.

Toy izao ny sarin’ny fiangonana ankehitriny :