Hetsika
Mitoria ny filazantsara

Mitoria ny filazantsara

«Ary hoy Izy taminy : Mandehana any amin’izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin’ny olombelona rehetra » Marka 16:15.

 

 

 

 

 

 

Thermos

Thermos

Fitsitsiana mihantra amin’ny aty vilany sy poketra

Mahay ny zava-drehetra tokoa ny mino . Porofon’izany  ny zavabitan’i Mr Noely, zanaky ny fiangonana Fjkm Ambohipo tao amin’ny sampana STK , sokajy Sofafa.Tsy teknisiana na injeniera (ingénieur agronome) na koa  mpikaroka( chercheur) momba ny fambolena sy fiompiana izy fa ny taranja Siansa no nianarany teny amin’ny anjerimanontolo saingy tsy sakana velively izany rehefa niainany ny tenin’Andriamanitra.Ny tenin’Andriamanitra ao amin’ny Genesisy 1, 2 “Ary ny Fanahin’Andriamanitra nanomba tambonin’ny rano” notoriana taminy teto amin’ny Zoara Fanantenana fony izy mbola mpianatra no nampihariny ka nahavitany voka-pikarohana manova ny fiainan’ny daholobe. Manambara ny herin’ny Fanahy Masina izay manome angovo tsy takatry saina io andinin-tsoratra masina io . “Any amin’ny Genesisy 1 and 4 vao nohariana ny masoandro, loharom-panazavana sy hafanana iainantsika .  Mbola tsy nisy anefa izany eto izany hoe ny herin’ny  Fanahy masina no manome ny angovo   ”araka ny fanazavan’i pasitera Rakotobe Rajaomanjato Doda Herisoa . Dia izay fitrandrahana sy ny fifehezana ny angovo izay no fototra niaingan’i Mr Noely ka namoronany ny “thermos” fandrahoana sakafo vita amin’ny akora misy manerana ny nosy sady zakan’ny fahefamividin’ny besinimaro ihany koa.

Amin’ny maha olon’ny finoana an’i Mr Noely dia tsy nazoniny ho azy samirery ilay fahaizamanao fa zarainy maimaimpoana amin’ny olon-drehetra. Voalohany amin’izany ireo tantsaha mpiara miasa sy ireo mpianany ao amin’ny ivotoerana iray any Vohipeno manofana momba ny fambolena sy fiompiana miankina amin’ny fiangonana Loteriana. Nampianariny ny fanamboarana ilay fitaovam-pitsitsiana koa ny Fiangonana Ambohipo ny sabotsy 06 aprily tontolo andro.

1.Fitaovana ilaina

–          gony lehibe 2

–          sobika 1 manana savaivo 45 sm raha vilany 34 , 50 sm kosa raha vilany 36

–          fanjaibe sy hety miaraka amin’ny rofia na tady

–          mololo na poti-damba na potika “éponge” iray gony atao sesika

2.Fomba fanamboarana ny “thermos”

Dingana voalohany

Alaina ny gony 1 lehibe voalohany dia zaraina roa manaraka ny lavany .Apetaka amin’ny fisasahan’ny sobika izay efa nasiana sesika sahabo 10 sm ny ilany. Misafidy teboka 2 mifanandrify avy eo hametrahana “fixation”. Rehefa voazaitra sy voafatotra tsara ireo teboka ireo dia ampidirana makao afovoany ny sesika mba ahafahana manjaitra  manodidina ilay sobika . Kendrena mba hihenjana tsara ilay gony . Marihina fa avy ao anatiny hatrany no manjaitra .

Dingana faharoa

Rehefa vita ny fanambaniny dia fenoana sesika hatramin’ny vavany ny sisin’ilay gony ary atao mitovy ny fiparitany. Somary tsindrina mba hilentika.Rehefa feno ny manodidina dia velarina ilay gony ary aforitra. Raisina ny sisin’ilay gony dia zairina manodidina amin’izay. Asiana ambiny 2 na 3 sm ametrahana ny sarony. Vita izay ny “thermos”

Dingana fahatelo

Alaina ny gony faharoa dia zaraina 2. Aforitra 2 mitovy tsara ny ilany ary apetaka eo ambonin’ilay “thermos”. Henjanina tsara ilay gony ary faritana amin’ny “ stylo” ny faritra manandrify ny vavan’ilay “thermos”. Mamela 2 sm aty ivelany rehefa manjaitra ilay faritra boribory. Asiana ambiny kely hampidirana ny sesika . Rehefa vita izay dia avadika ilay gony ary ampidirina amin’izay ny sesika. Kendrena mba  hanana haavo 2 na 3 sm eo ity takotra ity mba ho afaka mitahiry hafanana tsara. Hidiana tanteraka amin’izay avy eo ilay gony.

3. Fandrahoana

Hafanaina ny rano ka rehefa mahamay dia arotsaka ny vary. Raha vao mangotra-tokana dia esorina eo ambony fatana ny vilany ary ampidirina ao anatin’ilay thermos avy hatrany. Tsindrina zavatra mavesatra ilay sarony amin’ny voalohany sao tsy mipetraka tsara. Atsasak’adiny(30 minitra) aorian’io dia masaka ny vary ary azo aroso avy hatrany. Azo andrahoana lasopy, hanikotrana koa ity “thermos”. Manatombo fotsiny ny fotoana iketrahana azy eo ambony fatana mialoha ny hampidirana azy anaty “ thermos”. Tena mahomby amin’ny mpanao hotely ity fitaovana ity noho izy mitsitsy arina na kitay. Marihina fa saribao 20 isa monja no nampiasaina tamin’ity fandrahoana vary natao teto amin’ny Zoara fanantenana ity. Novoina avy hatrany ny afo isaky ny mangotraka ny vary. Hamainina ireo arina ireo avy eo ary mbola afaka nandrahoana in’efatra miantoana. Andramo ka izahao raha tsy nanatrika ilay fiofanana ianao.     

Tsy misy afatsy tombotsoa no azo amin’ny fampiasana ny “thermos”. Mihena ny arina ilaina , mihena araka izany ny vola lany mbamin’ ny fotoana lany amin’ny fandroan-tsakafo. Tsy resahana intsony ny fanalefahana ny fanimbana ny ala avadika ho arina .  .Tena fiovana mihantra amin’ny ativilany, ny poketra sy ny fiainana andavanandro mihitsy e.

 

 

 

 

 

 

 

Varin’i Jesoa

Varin’i Jesoa

Tetikasa mampiavaka ny Fiangonana Zoara Fanantenana ny Varin’i Jesoa. Akana 1 sotro isaky ny kapoaka ny vary arotsaka. Angonina iny ary aterina aty ampiangonana rehefa alahady. Amidy amin’ny sarany ariary 100 ariary monja ny kapoaka ho an’ireo fianakaviana sendra fahasahiranana mivavaka eto amin’ny Zoara Fanantenana. Misy ny fanadihadiana tontosain’ny Sampana Dorkasy ka izay tokatrano ao anatin’ny lisitra avokoany ihany no mahazo manjifa ilay vary amidy mora isaky ny alatsinainy. Fampiharana ny baikon’i Jesoa Kristy hoe « Didy vaovao no omeko anareo dia ny hifankatiavanareo… » (Jaona 13:34a) ny varin’i Jesoa izay iarahan’ny Fiangonana Zoara fanantenana Ambohipo manatanteraka.

Amin’ny fiainana andavanandro dia ny mpiray tampo, ny zanaka sy ray amandreny no mifanampy raha misy tojo fahasahiranana. Amin’ity tetikasa ity kosa anefa dia tsy misy idiran’izay fifandraisana ara-nofo izay fa ny finoana ny Tenin’Andriamanitra no manetsika. Ao amin’ny filazantsara araka an’i Lioka 3:10-11 dia misy izao andinin-tsoratra masina izao mamintina ny foto-kevitry ny tetikasa Varin’i Jesoa : « Ary ny vahoaka nanontany an’i Jaona hoe : Inona ary no ataonay ? Ary namaly izy ka nanao taminy hoe : Izay manana akanjo roa dia aoka hanome ny tsy manana ary izay manan-kanina, dia aoka hanao toa izany koa izy« .

Araka izany dia asan’ny olona mibebaka ny varin’i Jesoa. Tsy fiantrana akory no antony anaovana azy fa noho ny fitiavana. Amin’ny varin’ny Jesoa anefa dia tsy ny antsasamanilan’ny fananantsika na ny vary anjarantsika no angatahana amintsika fa zara ny ampahafolon’ny kapoaka fotsiny. Araka ireto andinin-tsoratra masina ireto dia manentana sy mampianatra antsika hanana toetra tia miahy ireo madinika koa ny Tompo:
– Asan’ny Apostoly 20 andininy 35 : « efa nasehoko anareo tamin’ny zavatra rehetra fa tokony hiasa toy izany koa ianareo, mba hiantra ny mahantra ka hahatsiaro ny tenin’I Jesosy tompo, ilay manao hoe: “mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray”« .
– Filazantsara nosoratan’i Matio, toko faha 10 andininy 42: « Ary na zovy na zovy no manome rano mangatsiaka na dia eran’ny kapoaka ihany aza hosotroin’ny iray amin’ireo madinika ireo, satria mpianatra izy, dia lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa tsy ho very ny valimpitiany« .

Sarobidy tokoa ho an’ny zanak’israely ny rano satria faritra tena saro-drano no nonenan’izy ireo. Miantoka ny fivelomany mihitsy izany ny rano. Mitovy lenta amin’ny rano teo amin’ny fiainan’ny Zanak’Israely ny vary izay foto-tsakafon’ny Malagasy. Mba hampazava ny hevitry ny teny dia azo soloina hoe vary ny teny hoe rano eto amin’ity andini-tsoratra masina ity.

Asa fitoriana

Anaovana tahiry manokana ny vola vidin’ny vary azo amin’ny tetikasa “varin’i Jesoa”. Io vola io mantsy no ividianan’ny fiangonana ny sakafon’ny mpiantafika rehetra mandritra ny rodorodom-pitoriana tanterahana isan-taona. Ampy hiantohana ny sakafon’ny mpiantafika maherin’ny 500 intelo isanandro eny andalana mandroso sy miverina ary koa mandritra ny fijanona amin’ilay tanana anaovana ny fitoriana ny tahiry ao amin’ity kitapombola ity.

Foto-kevitra

Tsy misy izany mahantra izany eo amin’ny sehatry ny fiangonana satria ny olon-drehetra dia samy afaka mandray anjara amin’ny fizarana fiainana ho an’ny hafa. Voaporofo amin’ny alalan’ny “varin’I Jesoa” fa ireo “mahantra” eo anivon’ny fiaraha-monina no mamatsy sakafo ny mpiantafika izany hoe mandray anjara feno amin’ny fanatontosan’ny asan’ny Tompo ry zareo. Tsy araka ilay fomba filaza hoe “Voninahitra ifanomezana” velively io fa tena sakafo mahavoky sady feno mihitsy. Manova ny foto-pisainana koa ity tetikasa ity satria na ry zareo sokajian’ny fiarahamonina ho sahirana aza dia miantoka ny sakafon’ny fiangonana.

Hafatra

Manentana anao tsy hanadino mihitsy ny mitondra ny anjara varin’I Jesoa isak’alahady satria tena fiainana mihitsy no zarainao amin’ny alalany. Sady manavotra olona amin’ny sarotra ianao no mampandray anjara azy amin’ny asan’ny Tompo ihany koa. Nihena kely indray mantsy ny fatran’ny vary voaangona nandritra ny 2 herinandro farany.

Iza no mahita vehivavy tsara ?

Iza no mahita vehivavy tsara ?

« Ary tany Jopa nisy vehivavy mpianatra atao hoe Tabita, izany hoe, raha adika, Dorkasy ; ary be ny asa soa sy ny fiantrana izay nataon’izany vehivavy izany. » Asan’ny Apostoly 9:36

 

Manomana ny fankalazana ny andron’ny vehivavy ny Sampana Dorkasy Foibe amin’izao fotoana izao.

Ny tontolo andron’ny zoma 8 marsa ho avy izao dia haneho ny maha vehivavy mendrika azy ireo ny renim-pianakaviana sy mpikambana ao amin’ny Sampana Dorkasy avy amin’ny fitandremana maro manerana ny Nosy. Eny amin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana no hanatanterahana izany ary endrika maro samihafa no isehoany.

Tranoeva maromaro no hampirantina ireo karazana talenta sy traikefa ananan’ny vehivavy Dorkasy eo amin’ny fiainana andavanandro sy ny fanasoavana ny fiaraha-monina. Hisy ny fandaharam-potoana izay hahitana fanehoana sy fizarana ny fahaiza-manao mahakasika ny sakafo, fanjairana, taovolo sy fikarakarana ny tenan’ny vehivavy, ao ihany koa ny sehatra hanehoana ireo hira sy zavakanto izay samy manome voninahitra an’Andriamanitra avokoa.

Hanana ny anjarany ao anatin’izany moa ny Sampana Dorkasy avy eto amin’ny FJKM Zoara Fanantenana Ambohipo.

[portfolio_slideshow id=223]

Feno 150 taona ny fiangonana

Feno 150 taona ny fiangonana

Feno 150 taona amin’ity taona 2013 ity ny fiangonana FJKM Zoara Fanantenana Ambohipo.

Ny 17 Avril 1863 no niorenan’ny fiangonana. Ny tenin’Andriamanitra izay velona sy mahery no antoka mamelona sy mampijoro ny fiangonana nandritra izay taona maro izay.

Atao mandritra ny taona ny fankalazana izany ary nosokafana tamin’ny alahady 03 febroary 2013. Endrika miavaka no niainan’ny fiangonana ny fisantarana izany tamin’ny alalan’ny fanaovan’ny fiangonana iray manontolo akanjo fotsy mandritra ny fotoam-pivavahana rehetra miampy ireo fandravahana ny tranon’Andriamanitra ho tonga toy ny trano lay fotsy.

Ny teny faneva amin’izao fankalazana izao dia ny Hebreo 4:11

 

« Koa aoka isika hazoto hiditra amin’izany fitsaharana izany,

fandrao hisy olona latsaka amin’ny tsi-finoana tahaka izany koa. »