25. février, 2013Ankizy, Fiainam-panahy Commentaires fermés sur Torohevitra ho an’ny ray aman-dreny momba ny fitaizana ankizy ao an-tokantrano
article-image

“Zaro amin’izay lalana tokony halehany ny zaza ! …” Ohab 22:6

Ampandraiso anjara amin’ ny fotoam-bavaka fanao ao an-tokantrano ny zaza na ny ankizy mba ho zatra mifandray amin’ Andriamanitra.

Azonao andramana ary ireto torohevitra ireto :

  • Mifandimby ny tsirairay ao amin’ ny fianakaviana mamaky ny tenin’ Andriamanitra.
  • Mifampizara izay zavatra azo tamin’ny fandinihana ny tenin’Andriamanitra.
  • Mifampitantana rehefa mivavaka ho mariky ny fiombonan’ aina.
  • Misy iray mivavaka dia mamerina ny fehezanteny voalazany  ny rehetra.