2. février, 2013Hetsika, slider-home, vaovao Commentaires fermés sur Feno 150 taona ny fiangonana
article-image

Feno 150 taona amin’ity taona 2013 ity ny fiangonana FJKM Zoara Fanantenana Ambohipo.

Ny 17 Avril 1863 no niorenan’ny fiangonana. Ny tenin’Andriamanitra izay velona sy mahery no antoka mamelona sy mampijoro ny fiangonana nandritra izay taona maro izay.

Atao mandritra ny taona ny fankalazana izany ary nosokafana tamin’ny alahady 03 febroary 2013. Endrika miavaka no niainan’ny fiangonana ny fisantarana izany tamin’ny alalan’ny fanaovan’ny fiangonana iray manontolo akanjo fotsy mandritra ny fotoam-pivavahana rehetra miampy ireo fandravahana ny tranon’Andriamanitra ho tonga toy ny trano lay fotsy.

Ny teny faneva amin’izao fankalazana izao dia ny Hebreo 4:11

 

« Koa aoka isika hazoto hiditra amin’izany fitsaharana izany,

fandrao hisy olona latsaka amin’ny tsi-finoana tahaka izany koa. »