4. mars, 2013Non classé Commentaires fermés sur Toliara : FJKM AMBOROGONY
article-image

IMG_2282

Ny Pasitera ANDRIANILANONA Rija

Mpitandrina ny FJKM Amborogony Fitiavana

 

Anisan’ny miatrika ny fanarenana ihany koa ny Fiangonana FJKM Amborogony Fitiavana taorian’ny rivodoza teo.

Ny tafotrano lasan’ny rivotra no isan’ny fahavoazana nahazo ny fiangonana araka ny tatitra azo avy amin’ny Mpitandrina. Isan’ny faritra tondraky ny rano ihany koa moa ny fokontany Amborogony, isaorana an’Andriamanitra lehibe anefa fa dia tsy niakatra avo loatra  ny rano ary efa maina amin’izao fotoana izao.  Tsy dia nisy entana simba ny tao anatin’ny fiangonana noho izany.

IMG_2279

Marihina fa ity fiangonana ity dia anisan’ny niara-niasa tamin’ny FJKM Zoara Fanantenana Ambohipo tamin’ny rodorodom-pitoriana 2012 teto Toliara. Araka ny tatitra avy amin’ny Mpitandrina dia nitombo marobe tokoa ireo kristiana tonga mamonjy ny fotoam-piv

IMG_2277

avahana sy manao ny asa fanompoana ao anatin’ny Sampana taorian’ny fandalovan’ny mpitory nanao ny rodorodom-pitoriana.

Toy izao ny sarin’ny fiangonana ankehitriny :