
Sokajy fanatanjahantena
Mankalaza ny faha-20 taonany amin’ny hetsika samihafa
Isan’ireo sokajy folo misy ao amin’ny FJKM “Zoara Fanantenana” Ambohipo ny rantsana fanatanjahantena izay manana ny teny filamatra manao hoe “ANDRIAMANITRA no aro sy hery ho antsika” Salamo 46:1A.
Taranja efatra hatramin’izao no efa iangaliana ao dia ny volley, baskety, baolina kitra ary ny tsipy kanetibe. Isan-taona dia misy taranja iray amin’ireo voatanisa etsy ambony ireo mikarakara hetsika. Tsy hoela dia hisy fifaninanana baolina kitra lalaovin’olona fito hotanterahina ny 13 hatramin’ny 14 aprily izay hatao eny amin’ny kianjan’Ankatso, fifaninanana izay misokatra ho an’ny fiangonana hafa ihany koa.
Marihina fa mankalaza ny faha-20 taonany izao ity sokajy iray ity izay niorina tamin’ny taona 1993. Mahatratra 146 izao ireo mpikambana ahitana sokajin-taona maro, 15 hatramin’ny 60 taona ary manana mpanazatra isan-taranja. Ankoatra an’io dia hisy koa ny rodorodo ara-panatanjahantena hatao amin’ny tapaky ny volana novambra, ahitana kosa indray ireo fifaninanana amin’ireo taranja efatra voalaza etsy ambony. Ity farany kosa dia fifaninanana anatiny ho an’ireo vakim-paritra fito ety amin’ny manodidina. Isan’ny fandaharam-potoana hivoaka ny renivohitra kosa ny fitoriana amin’ny volana jona hatao any Ambanja, faritra avaratry ny nosy iny.
Ireo Mpitantana:
Filoha: Rakotoniaina Vonifanja
Filoha lefitra: Rakotobe Lovasoa Faneva
Mpitahiry vola: Andriamanjatoarivo Voahirana
Mpitahiry vola mpanampy: Ramaroson Heritiana
Mpitantsoratra: Rasolofoariniony Tolojanahary