FANOMANANA : fidinana voalohana 20-21 Febroary 2010
IREO EKIPA NIDINA TANY AN-TOERANA :
- Ny mpitandrina
- Ny ekipa komity teknika ny rodorodom-pitoriana
- Ny solotenan’ny ekipa ao amin’ny STK
Ny zavatra natao tamin’io fotoana io :
Ny alahady 21 Martsa 2010 maraina dia nisy ny fivarotana boky teny vahiny sy tratrika misy lohahevitra maromaro natao ho fampianarana ny kristiana ary boky maro hafa ihany koa tao amin’ny FJKM ZIONA VAOVAO.
Ny mpitandrina RAKOTOBE no nitondra ny tenin’Andriamanitra nandritra ny fitoam-pivavahana.
Ny hariva dia fivoriam-be fanokafana ny hetrika JKM II izay niarahana tamin’ireo Mpitandrina maro sy ny kristiana maro be avy amin’ny fiangonana FJKM samy hafa tao Mahajanga. Ary taorin’izay no nahampahampafantarina ny kristiana teo an-toerana ny momban’ny rodorodom-pitoriana 2010 izay atao any Mahajanga ny 28-29 Aogositra 2010. Nandritra izany fotoana izany dia efa nisy sahady fampandraisana andraikitra ny kristiana tany an-toerana amin’ny fanomanana. Tao anatin’izany dia nisy ny fizarana voamiera dimy (voameran’ny serasera, voamieran’ny teknika, voamieran’ny ara-panahy, voamieran’ny zava-kanto ary ny voamieran’ny fitaovana)izay samy hisahana ny asa sy hiandraikitra ny fanomanana ary hisianan’ny fifandraisana amin’ny ekipa mpanomana aty.