Mandehana any amin'izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin'ny olombelona rehetra. Marka 16/15
Izany no baiko nomena an'ireo Tanora mpiantafika ao amin'ny SAMPANA TANORA KRISTIANINA (miisa 129 teo ho eo), nanainga ny 28 aprily 2010, tany amin'ny faritra Ankazobe: Tsiafakarivo sy ny manodidina: Antanetibe, Betsitaisana, Beravina, … .
Nizara an'i Jesoa Kristy Fiainana tamin'ireo izay tsy mbola nanana izany. Tanora resy lahatra, feno ny herin'ny Fanahy Masina ireto nanatanteraka ny Fitoriana Filazantsara tamin'ireo faritra voalaza ireo. Endrika maro no nisehoan'izany fitoriana ny filazantsara ny fanjakan'Andriamanitra izany toy ny mitety tokan-trano, fitoriana ankalamanjana, fifampizarana traikefa tamin'ireo fiangonana tany antoerana.
Ny Alakamisy 02 mai 2010 no fiverenan'ireo mpiantafika taty Ambohipo, Antananarivo. Misaotra tamin'ny fitrotroana am-bavaka sy ny fifanohanana tamin'ny asa.