"… Tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satro-boninahitrao" Apokalipsy 3/11
- Ny Sampana Dorkasy dia faly manolotra fankasitrahana hoan'ireo rehetra izay nitondra am-bavaka sy ireo nanotrona azy nandritry ny fanantontosana ny rindrankira antsehatra ho fiderana an'Andriamanitra ny Alahady 30 may 2010 lasa teo tao amin'ny fiangonana FJKM Zoara Fanantenana Ambohipo, tamin'ny 3 ora tolakandro.
- Isaorana ihany koa Andriamanitra sy ireo mpiara-miasa rehetra tamin'ny nahavitanay ny tafika masina niaraka tamin'ny sokajy Zava-maneno (STK), izay natao tao Ambodifarihy AMBATOLAMPY ny 12 – 13 Jiona 2010.
Nifankahery sy nitory ny vaovao mahafaly tamin'ireo olona tao antanàna, ary koa nanao fampisehoana an-tsehatra ho fandraisana anjara amin'ny ezaka fananganana ny trano fiangonana izay eo andalam-pananganana ankehitriny.